Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-359 @365
Herinandro faha-52 @52 |

Apokalypsy 11

Ny nandrefesana ny tempoly, sy ny amin'ny vavolombelona roa
1 Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho, ka nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, ka refeso ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary isao izay mivavaka ao. 2 Fa ny kianja eo ivelan'ny tempoly dia avelao ihany, fa aza mba refesina; fa nomena ny jentilisa izany, ka hanitsaka ny tanàna masina roa amby efa-polo volana izy. 3 Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana. 4 Ireo ilay hazo oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan'ny Tompon'ny tany. 5 Ary raha misy ta-handratra ireo, dia misy afo mivoaka amin'ny vavany ka mandany ny fahavalony; ary rana misy ta-handratra ireo, dia tsy maintsy hovonoina toy izany koa izy. 6 Ireo dia manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro aminaniany; ary manam-pahefana amin'ny rano koa izy hampody azy ho rà sy hamely ny tany amin'ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana. 7 Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibi-dia miakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy. 8 Ary ny fatiny hiampatra eny an-dalambe amin'ny tanàna lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin'ny hazo fijaliana. 9 Ary ny olona sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena maro dia misy mijery ny fatiny hateloan'andro sy tapany; ary tsy avelany halevina ao am-pasana ny fatiny. 10 Ary ny mponina ambonin'ny tany mifaly azy ka ravoravo, ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny mponina ambonin'ny tany ireo mpaminany roa ireo. 11 Ary rehefa afaka ny hateloan'andro sy tapany, dia nisy fanahin'aina avy tamin'Andriamanitra niditra tao anatin'ireo, ary nijoro tamin'ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy. 12 Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy hoe: Miakara atỳ. Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin'ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony. 13 Ary tamin'izany ora izany dia nisy horohorontany mafy, ka rava ny ampahafolon'ny tanàna, ary maty tamin'izany horohorontany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an'Andriamanitry ny lanitra. 14 Lasa ny loza faharoa; indro, avy faingana ny loza fahatelo.
Ny nitsofana ny trompetra fahafito, sy ny nahatongavan'ny Joza fahatelo
15 Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay. 16 Ary ny loholona fatra amby roa-polo, izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany eo anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka ka nivavaka tamin'Andriamanitra 17 nanao hoe: Misaotra Anao izahay, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, Satria nasehonao ny herinao lehibe, ka efa manjaka Hianao. 18 Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao Sy ny fotoana hitsarana ny maty, sy hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany.
19 Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago