Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-308 @365
Herinandro faha-44 @52 |

2 Tantara 33

Ny nanjakan'i Manase sy Amona
1 Roa ambin'ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema . 2 Ary nanao izay ratsy eo mason'i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan'ny firenena izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely. 3 Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay efa noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an'ireo Bala izy sady nanao Aseraha sy niankohota teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra ka nanompo azy 4 sady nanorina alitara tao an-tranon'i Jehovah, dia tao amin'ilay nolazain'i Jehovah hoe: Any Jerosalema no hitoeran'ny anarako mandrakizay. 5 Fa nanao alitara teo anatin'ny kianja roa amin'ny tranon'i Jehovah izy ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra. 6 Ary ny zanany nampamakiny ny afo teo an-dohasahan'ny taranak'i Hinoma, sady nanandro sy nanao sikidy izy sy nanana ody ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, dia nahery nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy. 7 Ary izay sarin-javatra voasokitra momba ny sampy nataony dia napetrany tao an-tranon'Andriamanitra, izay nolazain'Andriamanitra tamin'Davida sy Solomona zanany hoe: Eto amin'ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin'ny firenen'isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay; 8a ry tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin'ny tany izay efa notendreko ho an'ny razanareo Aho, raha mba hitandrina koa izy hanao araka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny lalana rehetra sy ny didy ary ny fitsipika izay nampilazaina an'i Mosesy. 9 Kanjo nampivily ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema Manase mba hanao ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely. 10 Ary Jehovah niteny tamin'i Manase sy ny vahoakany, nefa tsy nety nihaino izy. 11 Dia nentin'i Jehovah hamely azy ny komandin'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Asyria, dia nosamborin'ireo Manase ka nasiany masom-by sady nogadrany gadra varahina ary nentiny ho any Babylona. 12 Ary nony azom-pahoriana mafy izy, vao nifona tamin'i Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan'Andriamanitry ny razany 13 ka nivavaka taminy; ary Jehovah nanaiky ka nihaino ny fifonany, dia nampody azy ho any Jerosalema ho any amin'ny fanjakany. Ka dia fantatr'i Manase fa Jehovah no Andriamanitra.
14 Ary rehefa afaka izany, dia nanao manda teo ivelan'ny Tanànan'i Davida izy, dia teo andrefana hatrany Gihona, eo amin'ny lohasahan-driaka, ka hatramin'ny fidirana amin'ny vavahadin-kazandrano, ary nataony manodidina an'i Ofela sady nataony avo dia avo; ary nanendry izay ho komandin'ny miaramila ho any amin'ny tanàna mimanda rehetra any Joda izy. 15 Dia nesoriny ireny andriamanikafa sy ny sampy tao an-tranon'i Jehovah mbamin'ny alitara rehetra izay efa naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon'i Jehovah sy tany Jerosalema ka nariany teny ivelan'ny tanàna. 16 Ary nanorina indray ny alitaran'i Jehovah izy ka namono zavatra hatao fanati-pihavanana sy fanati-pisaorana teo amboniny, dia nandidy ny Joda hanompo an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. 17 Fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin'ny fitoerana avo ihany, kanefa kosa ho an'i Jehovah Andriamaniny ihany.
18 Ary ny tantaran'i Manase sisa mbamin'ny vavaka nataony tamin'Andriamaniny sy ny tenin'ireo mpahita izay niteny taminy tamin'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely indro, ao amin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany. 19 Ary koa, ny vavaka nataony sy ny naneken'Andriamanitra izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany rehetra mbamin'ny fitoerana izay nanorenany fitoerana avo sy nananganany Aseraha sy sarin-javatra voasokitra, fony izy tsy mbola nanetry tena, indro, efa voasoratra ao amin'ny tenin'i Hozay izany. 20 Ary Manase lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tranony; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.
21 Roa amby roa-polo taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema. 22 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'i Manase rainy ihany izy; fa ny sarin-javatra voasokitra rehetra nataon'i Manase rainy dia namonoan'i Amona zavatra hatao fanatitra ka notompoiny; 23 ary tsy nanetry tena teo anatrehan'i Jehovah tahaka ny nataon'i Manase rainy izy, fa mainka nanota bebe kokoa aza. 24 Dia nikomy taminy ny mpanompony ka namono azy tao an-tranony. 25 Fa ny vahoaka kosa namono izay rehetra efa nikomy tamin'i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an'i Josia zanany hisolo azy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago