Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-307 @365
Herinandro faha-44 @52 |

2 Tantara 32

Ny nanafihan'ny Asyriana an'i Joda tamin'ny andro nanjakan'i Hezerika sy ny niarovan'Andriamanitra azy.
1 Ary rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikasa hanafaka azy. 2 Ary nony hitan'i Hezekia fa tonga Sankeriba ka nikasa hamely an'i Jerosalema, 3 dia niara-nihevitra tamin'ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin'ny loharano eny ivelan'ny tanàna; ary nanampy azy ireo. 4 Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamaky eo afovoan'ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan'i Asyria, raha avy? 5 Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin'ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany, dia namboatra an'i Milo tao an-tanànan'i Davida sady nanao lefona aman'ampinga betsaka izy. 6 Ary nanendry mpifehy miaramila hifehy ny olona izy ka nampiangona azy hankeo aminy teo an-kalalahana akaikin'ny vavahadin'ny tanàna, dia nanao teny famporisihana taminy hoe: 7 Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan'i Asyria sy ny hamaroan'ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy. 8 Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika. Ary dia niankina tamin'ny tenin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ny olona. 9 Rehefa afaka izany, dia nirahin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ny mpanompony hankany Jerosalema (fa izy sy ny miaramilany rehetra kosa nanao fahirano an'i Lakisy tamin'izay) ho any amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy ho any amin'ny Joda rehetra izay tany Jerosalema ka nanao hoe: 10 Izao nolazain'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria: Inona izato itokianareo, no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo ? 11 Tsy Hezekia ihany va no manambosy anareo hanole-tena ho faty mosary sy hetaheta ka .anao hoe: Jehovah Andriamanitsika hamonjy antsika amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Syria? 12 Tsy io Hezekia io ihany koa va no nandrava ny fitoerana avony sy ny alitarany ary nandidy ny Joda sy Jerosalema ka nanao hoe: Eo anoloan'ny alitara iray no iankohofanareo sy handoroanareo ditin-kazo manitra ? 13 Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin'ny firenena rehetra tany amin'ny tany hafa ? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin'iny tanako? 14 Iza amin'ny andriamanitr'ireo firenena efa naringan'ny razako ireo no nahavonjy ny olony tamin'ny tanako, ka dia hahavonjy anareo amin'ny tanako va ny Andriamanitrareo? 15 Koa ankehitriny, aza avela hamitaka anareo Hezekia, na hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy ianareo; fa tsy nisy andriamanitra tany amin'ny firenena sy ny fanjakana rehetra izay nahavonjy ny olony tamin'ny tanako sy ny tanan'ny razako; koa aiza ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin'ny tanako? 16 Ary ny mpanompon'i Sankeriba mbola niteny ratsy an'i Jehovah Andriamanitra sy Hezekia mpanompony, 17 sady nanoratra taratasy hihaika an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy hiteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tahaka ny tsy nahavonien'ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ny olony tamin'ny tanako no tsy hahavonjen'ny Andriamanitr'i Hezekia ny olony koa amin'ny tanako. 18 Dia niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan'ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin'ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna. 19 Ary Andriamanitr'i Jerosalema koa dia mba nolazainy toy ny filazàny ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny, izay asan'tànan'olona ihany. 20 Ary noho izany dia nivavaka Hezekia mpanjaka sy Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, ka nitaraina tamin'ny lanitra. 21 Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin'ny mpanjakan'i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin'ny sabatra ny zanany naterany. 22 Toy izany no namonjen'i Jehovah an'i Hezekia sy ny mponina tany Jerosalema tamin'ny tànan'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, sy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra; eny, niaro azy tamin'ny manodidina rehetra Izy. 23 Ary ny maro nitondra fanatitra ho an'i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; dia nalaza teo imason'ny firenena rehetra izy hatramin'izany.
Ny nahararian'i Hezekia sy ny nanaretany, ary ny hareny amam-boninahiny, sy ny nampietrena azy, ary ny nahafatesany
24 Tamin'izany andro izany dia narary efa saiky maty Hezekia, koa dia nivavaka tamin'i Jehovah izy, ary Jehovah niteny taminy ka nanome azy famantarana. 25 Fa Hezekia tsy mba namaly araka izay soa efa natao taminy; fa niavonavona ny fony, dia niharan'ny fahatezerana izy mbamin'ny Joda sy Jerosalema. 26 Kanefa Hezekia nanetry tena noho ilay efa niavonavonan'ny fony, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema, ka dia tsy niharan'ny fahatezeran'i Jehovah ireo fahavelon'i Hezekia. 27 Ary Hezekia nanana harena sy voninahitra be indrindra; dia nanao trano firaketana izy hitehirizany ny volafotsy sy ny volamena sy ny vato soa sy ny zava-manitra sy ny ampinga mbamin'izay fanaka tsara rehetra, 28 ary tanàna fitehirizana ny vokatra koa, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo, sy trano miefitrefitra hitoeran'ny biby fiompy samy hafa karazana ary vala hitoeran'ny ondry aman'osy. 29 Ary nanao tanàna maro ho azy koa izy sady nanana ondry aman'osy ary omby betsaka, fa nomen'Andriamanitra fananana be indrindra izy. 30 Ary notampenan'io Hezekia io ny fivoahan'ny rano ambony any Gihona ka nampandehaniny tany ambanin'ny tany hidina mahitsy ho any andrefan'ny Tanànan'i Davida izany. Ary nambinina tamin'ny asany rehetra Hezekia. 31 Nefa noho ny amin'ny irak'ireo mpanapaka tany Babylona, izay naniraka tany aminy mba hanontany ny amin'ny zava-mahagaga natao teo amin'ny tany, dia nilaozan'Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy hahalalany izay rehetra ao am-pony. 32 Ary ny tantaran'i Hezekia sisa mbamin'ny soa nataony, indro, efa voasoratra ao amin'ny fahitan'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, sy ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely izany. 33 Ary Hezekia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny fiakarana ho any amin'ny fasan'ny zanak'i Davida izy; ary ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema nanome voninahitra azy tamin'ny nahafatesany. Ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago