Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-302 @365
Herinandro faha-44 @52 |

2 Tantara 26

Ny nanjakan'i Ozia
1 Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny Joda naka an'i Ozia, izay enina ambin'ny folo taona, ka nampanjaka azy handimby an'i Amazia rainy. 2 Izy no nanamboatra an'i Elota ka nampody azy ho an'ny Joda indray, rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany ny mpanajaka. 3 Enina ambin'ny folo taona Ozia, fony izy vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema. 4 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Amazia rainy. 5 Ary nitady an'Andriamanitra izy tamin'ny andron'i Zakaria, izay nahafantatra ny fahitana an'Andriamanitra; ary tamin'ny andro nitadiavany an'i Jehovah dia nambinin'Andriamanitra izy. 6 Ary nivoaka izy ka niady tamin'ny Filistina, dia nandrava ny mandan'i Gata sy ny an'i Jabne sy ny an'i Asdoda ary nanao tanàna tany Asdoda sy tany amin'ny Filistina. 7 Ary Andriamanitra nanampy azy hamely ny Filistina sy ny Arabo izay nonina tao Gorabala ary ny Meonita. 8 Ary ny Amonita nandoa hetra ho an'i Ozia; dia niely ny lazany hatrany akaikin'i Egypta, fa tonga mahery indrindra izy. 9 Ary Ozia nanao tilikambo tany Jerosalema, teo amin'ny vavahady an-jorony sy teo amin'ny vavahady mankao amin'ny tany lemaka sy teo an-jorony ka nanamafy azy. 10 Ary nanao tilikambo tany an-efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano; fa izy nanana omby aman'ondry betsaka teny an-tany lemaka sy teny an-tanety ary mpiasa koa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra sy teny Karmela koa; fa tia asa tany izy. 11 Ary Ozia nanana miaramila maro, izay nanao antokony handeha hanafika, dia araka ny isany izay nandaminan'i Jeiela mpanoratra sy Mahaseia mpifehy azy, ka nofehezin'i Hanania, anankiray tamin'ny komandy voatendrin'ny mpanjaka. 12 Enin-jato amby roa rivo no isan'ny lohan'ny fianakaviana rehetra, dia lehilahy mahery avokoa. 13 Ary ny miaramila fehezin'ireo dia diman-jato amby fito arivo sy telo hetsy, izay nahery niady indrindra, homba ny mpanjaka hiady amin'ny fahavalony. 14 Ary Ozia namboatra ampinga sy lefona sy fiarovan-doha sy akanjo fiarovan-tratra sy tsipìka ary vaton'antsamotady ho an'ireo miaramila rehetra ireo. 15 Ary nanao fiadiana lehibe tany Jerosalema izy, natao araka ny marika vitan'ny mahay zavatra, hapetraka eo amin'ny tilikambo sy eo an-tampon'ny manda mba handefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Ary niely lavitra ny lazan'i Ozia; fa mahagaga ny nanampiana azy, ka tonga mahery tokoa izy. 16 Ary nony nahery izy, dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin'i Jehovah Andriamaniny ka niditra tao amin'ny tempolin'i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amln'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra. 17 Fa niditra nanaraka azy kosa Azaria mpisorona mbamin'ny valo-polo lahy amin'ny mpisoron'i Jehovah, lehilahy samy mahery avokoa. 18 Ary nanohitra an'i Ozia mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe: Tsy raharahanao, ry Ozia, ny handoro ditin-kazo manitra ho an'i Jehovah, fa an'ny mpisorona ihany, dia ny taranak'i Arona, izay nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mialà amin'ny fitoerana masina, fa nanao izay mahadiso ianao; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitra izany. 19 Dia nisafoaka Ozia, ary nisy lovia teny an-tànany handoroany ditin-kazo manitra; koa raha mbola nisafoaka tamin'ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra tamin'ny handriny teo anatrehan'ny mpisorona tao an-tranon'i Jehovah, tanilan'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra. 20 Ary Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra dia nanatrika nijery azy, ka, indro, boka ny handriny; dia noroahiny hiala teo izy; nefa ny tenany dia mba nivoaka faingana ihany koa, satria Jehovah efa namely azy. 21 Ary Ozia mpanjaka dia boka ambara-pahafatiny ka nitoetra tao an-trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao an-tranon'i Jehovah intsony izy. Ka dia Jotama zanany no nanapaka tao an-dapa sady nitsara ny vahoaka. 22 Ary ny tantaran'i Ozia sisa, na ny voalohany na ny farany, dia efa nosoratan'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza; 23 Ary Ozia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-tsaha fandevenana izay an'ny mpanjaka, satria hoy ny olona: Boka izy. Ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago