Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-300 @365
Herinandro faha-43 @52 |

2 Tantara 24

Ny nanjakan'i Joasy, sy ny nanamboarana ny rafitry ny tempoly
1 Fito taona no niainan'i Joasy, fony izy vao nanjaka, efa efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba. 2 Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tamin'ny andro rehetra niainan'i Joiada mpisorona. 3 Ary nangalan'i Joiada vady roa Joasy, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 4 Ary nony afaka izany, dia mby ao am-pon i Joasy ny hanamboatra ny tranon'i Jehovah. 5 Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin'ny tanànan'ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin'ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon'Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany. 6 Ary ny mpanjaka dia nampaka an'i Joiada, lohany tamin'ireo, ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy nasainao nitondra ny hetra avy tany Joda sy Jerosalema ny Levita, araka ny didin'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah sy ny fiangonan'ny Isiraely ho ao amin'ny tabernakelin'ny vavolombelona? 7 Fa ny zanak'i Atalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, efa nandrava ny tranon'Andriamanitra; ary ny zavatra masina rehetra tao an-tranon'i Jehovah koa dia efa nateriny ho an'ireo Bala. 8 Ary nasain'ny mpanjaka nanao vata anankiray izy, dia napetrany teo ivelan'ny vavahadin'ny tranon'i Jehovah izany. 9 Ary nandefa teny eran'i Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an'i Jehovah ny hetra izay nasain'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, haloan'ny Isiraely, fony izy tany an-efitra. 10 Dia faly ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra, ka dia nitondra izany ary nandatsaka azy tao amin'ny vata ambara-pahatapiny. 11 Ary tamin'izay andro nitondran'ny Levita ny vata ho any amin'ny toniany voatendrin'ny mpanjaka, raha hitany fa be ny vola, dia avy ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny toniany voatendrin'ny mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin'ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin'ny fitoerany indray. Toy izany no nataony mandrakariva, ka nahavory vola betsaka izy. 12 Ary nomen'ny mpanjaka sy Joiada ho an'izay nanao ny raharahan'ny tranon'i Jehovah ny vola, ka nanakaraman'ireo mpipai-bato sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba hanamboatra ny tranon'i Jehovah. 13 Dia nanao ny mpiasa, ka vita tsara ny asa; ary namboariny ho toy ny teo aloha ny tranon'Andriamanitra ka nataony mafy. 14 Ary nony vitany izany, dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka sy Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an'ny tranon'i Jehovah, dia fanaka ho enti-manao fanompoam-pivavahana sy manatitra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanatitra fanatitra dorana tao an-tranon'i Jehovah mandrakariva izy tamin'ny andron'i Joiada rehetra. 15 Fa tratrantitra sy ela niainana Joiada vao maty: telo-polo amby zato taona izy vao maty. 16 Ary nalevina tao an-Tanànan'i Davida tao amin'ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin'ny Isiraely ary tamin'Andriamanitra sy ny tranony koa.
17 Ary rehefa maty Joiada, dia avy Ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka. 18 Ary nandao ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy dia nisy fahatezerana nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoany. 19 Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin'i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy. 20 Ary Zakaria, zanak'i Joiada mpisorona, notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra, dia nitsangana teo amin'ny avoavo teo anatrehan'ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an'i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy. 21 Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah araka ny tenin'ny mpanjaka. 22 Toy izany no tsy nahatsiarovan'i Joasy mpanjaka ny soa nataon'i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao. 23 Ary nony efa niherina ny taona, dia avy ny miaramilan'i Syria hiady taminy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema izy, ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin'ny olona, ary nampitondrainy ho any amin'ny mpanjakan'i Damaskosy ny babo rehetra. 24 Fa vitsy ny miaramilan'ny Syriana izay tonga teo, nefa Jehovah nanolotra miaramila maro ho eo an-tànany noho ny nahafoizany an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany. Toy izany no nahatanterahan'ireo ny famaliana an'i Joasy. 25 Ary nony nilaozany tamin'ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran'ny zanak'i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin'ny fasan'ny mpanjaka. 26 Ary izao no niodina taminy: Zabada, zanak'i Simata Amonita, sy Jozabada, zanak'i Simrita Moabita. 27 Ary ny amin'ny zanany sy ny hamafin'ny faminaniana nilaza ny loza hanjo azy ary ny nanamboarany ny tranon'Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjaka izany. Ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago