Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-294 @365
Herinandro faha-42 @52 |

2 Tantara 14

1 Ary Asa nanao izay tsara sy mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitra; 2 fa nandrava ny alitaran'ny firenena hafa sy ny fitoerana avo izy sady nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy ary nikapa ny Aseraha. 3 Ary nandidy ny Joda hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankatò ny lalàna sy ny didy. 4 Ary nandrava ny fitoerana avo sy ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro teny amin'ny tanànan'ny Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany. 5 Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin'izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana. 6 Dia hoy izy tamin'ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanana ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy, raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady an'i Jehovah Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika, ka nanome antsika fiadanana amin'ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara. 7 Ary Asa nanana miaramila, dia telo hetsy mpitana ampinga lehibe sy lefona avy tamin'ny Joda, ary valo alina amby roa hetsy mpitana ampinga sy tsipìka avy amin'ny Benjamina; ireo rehetra ireo dia lehilahy mahery avokoa. 8 Ary Zera Etiopiana nivoaka hiady tamin'ireo ka nitondra miaramila iray tapitrisa sy kalesy telon-jato, ka dia tonga tao Maresa.
9 Ary Asa nivoaka hiady taminy, dia samy nilahatra hiady teo andohasaha Zefata akaikin'i Maresa izy. 10 Ary Asa nitaraina tamin'i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian'ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin'ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao. 11 Ary Jehovah namely ny Etiopiana teo anoloan'i Asa sy ny Joda, ka dia nandositra ireny. 12 Ary Asa sy ny vahoaka teo aminy nanenjika azy hatrany Gerara, ka dia nahafatesana be ny Etiopiana ka tsy naharina intsony; fa voaringana teo anoloan'i Jehovah sy ny miaramilany izy, ka nahazoan'ny Joda babo betsaka. 13 Ary namely ny tanàna rehetra manodidina an'i Gerara izy; fa ny fahatahorana an'i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana rehetra, fa be ny babo tao. 14 Ary namely ny vala izy ka nahazo babo betsaka, dia ondry aman'osy sy rameva, ary dia niverina ho any Jerosalema izy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago