Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-286 @365
Herinandro faha-41 @52 |

2 Tantara 1

Ny fanatitra nataon'i Solomona, ary ny nisehoan'Andriamanitra taminy tao Gibeona.
1 Ary Solomona, zanak'i Davida, dia nitombo hery tamin'ny fanjakany, ary Jehovah Andriamaniny nomba azy ka nanandratra azy indrindra. 2 Ary Solomona nandidy Isiraely rehetra, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary loham-pirenena rehetra tamin'ny Isiraely, dia lohan'ny fianakaviana, 3 ka dia niara-niakatra ho any amin'ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao trano-lay fihaonana izay an'Andriamanitra, ilay nataon'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, tany an-efitra. 4 Fa fiaran'Andriamanitra efa nampakarin'i Davida avy ta Kiriata-jearima ho ao amin'izay efa namboariny ho azy; fa efa nanorina lay ho azy tany Jerosalema izy. 5 Ary alitara varahina izay nataon'i Bezalila, zanak'i Ory zanak'i Hora, dia teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah; ary Solomona sy fiangonana nitady Azy tao. 6 Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin'ny alitara varahina teo anatrehan'i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo.
7 Tamin'ny alin'iny no nisehoan'Andriamanitra tamin'i Solomona, ka hoy Izy taminy: Angataho izay tianao homeko anao. 8 Dia hoy Solomona tamin'Andriamanitra: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko ary nampanjaka ahy handimby azy. 9 Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra ô. aoka ho tanteraka teninao tamin'i Davida raiko; fa Hianao efa nampanjaka ahy tamin'ny vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany. 10 Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao? 11 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ain'ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao, 12 dia omena anao ny fahendrena sy fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan'ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao. 13 Ary tonga tany Jerosalema Solomona avy teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona, dia teo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary nanjaka tamin'ny Isiraely izy.
Ny amin'ny nanangonan'i Solomona soavaly aman-kalesy mbamin'ny harena be.
14 Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ka nanana kalesy efa-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin'ireny tanàna fitoeran'ny kalesy ary tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema. 15 Ary nataon'ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka. 16 Avy tany Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny voatendry. 17 Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.
Ny niomanan'i Solomona hanao ny tempoly.
18 Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago