Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-202 @365
Herinandro faha-29 @52 |

2 Samoela 6

Ny namindrana ny fiaran'i Jehovah nankany Jerosalema
1 Ary novorin'i Davida indray ny lehilahy voafantina rehetra tamin'ny Isiraely, dia telo alina. 2 Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran'Andriamanitra izay niantsoana ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay mipetraka amin'ny kerobima. 3 Ary nataony teo amin'ny sariety vaovao ny fiaran'Andriamanitra ka nentiny avy tao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana; ary Oza sy Ahio, zanak'i Abinadaba, no nampandeha ny sariety vaovao. 4 Ary dia nentiny niala tao an-tranon'i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin'ny fiaran'Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan'ny fiara. 5 Ary Davida sy ny taranak'Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah tamin'ny karazan'ny zava-maneno rehetra natao tamin'ny hazo kypreso, dia tamin'ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona. 6 Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin'ny fiaran'Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran'ny omby ny fiara. 7 Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan'ny fiaran'Andriamanitra izy. 8 Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza ny anaran'izany tany izany mandraka androany. 9 Ary Davida natahotra an'i Jehovah tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no ho entina atỳ amiko ny fiaran'i Jehovah? 10 Ary Davida dia tsy nety namindra ny fiaran'i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan'i Davida; fa naviliny ho ao an-tranon'i Obed-edoma Gatita. 11 Ary nipetraka telo volana tao an-tranon'i Obed-edoma Gatita ny fiaran'i Jehovah; ka dia notahin'i Jehovah Obed-edoma sy ny ankohonany rehetra. 12 Ary nambara tamin'i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay nananany rehetra noho ny fiaran'Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka nampakatra ny fiaran'Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon'i Obed-edoma ho any an-Tanànan'i Davida. 13 Ary rehefa namindra inenina ny mpitondra ny fiaran'i Jehovah, dia namono omby sy zanak'omby mifahy izy hatao fanatitra. 14 Ary Davida nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan'i Jehovah sady nisalotra efoda rongony fotsy. 15 Ary Davida sy ny taranak'i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran'i Jehovah tamin'ny hoby sy ny feon'ny anjomara. 16 Ary nony tonga teo an-Tanànan'i Davida ny fiaran'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
17 Ary nampiditra ny fiaran'i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin'ny fitoerany tao amin'ny lay izay naorin'i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah. 18 Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy. 19 Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra. 20 Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly, nivoaka hitsena an'i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan'ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason'ny zanakavavin'ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra. 21 Ary hoy kosa Davida tamin'i Mikala: Teo anatrehan'i Jehovah, Izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Isiraely, olon'i Jehovah, eny, teo anatrehan'i Jehovah no nitsinjahako. 22 Ary mbola hivazina kokoa noho izany aza aho, ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka hanam-boninahitra amin'ireo tovovavy nantsoinao ireo kosa aho. 23 Ka dia tsy nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin'i Saoly.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago