Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-211 @365
Herinandro faha-31 @52 |

2 Samoela 16

Ny nataon'i Absaloma tany Jerosalema, sy ny hevitra nomen'i Ahitofela azy, ary ny nanafoanan'i Hosay izany
1 Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon'ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon'i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara. 2 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Ziba: Ahoana no hevitrao amin'ireto? Dia hoy Ziba: Ny boriky dia ho an'ny ankohonan'ny mpanjaka itaingenany; ary ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra hohanin'ny zatovo; ary ny divay hosotroin'izay reraka any an-efitra. 3 Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin'ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian'ny taranak'Isiraely ny fanjakan'ikaky ho ahy. 4 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Ziba: Indro, anao izay rehetra an'i Mefiboseta. Ary hoy Ziba: Trarantitra anie ianao, aoka hahazo fitia eto imasonao aho, ry mpanjaka tompoko. 5 Ary nony nanakaiky an'i Bahorima Davida mpanjaka, indro, nisy lehilahy, tamingan'i Saoly ny anarany dia Simey, zanak'i Gera nivoaka avy tao izy ka nanozona teny ampandehanana. 6 Ary nitora-bato an'i Davida mpanjaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary ny vahoaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra dia teo amin'ny ankavanan'ny mpanjaka sy teo amin'ny ankaviany. 7 Ary hoy ny fanozon'i Simey: Mandehana, mandehana, ry lehilahy mpandatsa-drà sy tena ratsy fanahy! 8 Nataon'i Jehovah manody anao izao ny ran'ny tamingan'i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; ary Jehovah nanome ny fanjakana ho eo an-tànan'i Absaloma zanakao kosa; ary indro, efa idiran-doza izao ianao, satria mpandatsa-drà. 9 Ary hoy Abisay, zanak'i Zeroia, tamin'ny mpanjaka: Nahoana no avela hanozona ny mpanjaka tompoko io alika maty io? Trarantitra ianao, aoka aho handeha ka hanapaka ny lohany. 10 Fa hoy ny mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak'i Zeroia? Raha manozona izy, sady Jehovah no nanao taminy hoe: Ozony Davida, dia iza indray no hanao hoe: Nahoana ianao no manao izany? 11 Ary hoy koa Davida tamin'i Abisay sy tamin'ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa Jehovah no nampanao azy izany. 12 Angamba Jehovah hamindra fo amiko ny amin'ny heloko ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao. 13 Ary nony nandeha teny an-dalana Davida sy ny olony, dia nandeha tamin'ny ilan'ny havoana tandrifiny kosa Simey ka nanozona teny ampandehanana sady nitora-bato nanandrify azy sy namafy vovoka. 14 Ary dia tonga tao ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy sady efa reraka, ka dia naka aina teo izy.
15 Ary Absaloma sy ny vahoaka rehetra tamin'ny Isiraely dia tonga tany Jerosalema, ary Ahitofela koa dia teo aminy. 16 Ary Hosay Arkita, sakaizan'i Davida, dia tonga tao amin'i Absaloma ka nanao taminy hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! ho ela velona anie ny mpanjaka! 17 Fa hoy Absaloma tamin'i Hosay: izao va no fitianao ny sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka tamin'ny sakaizanao? 18 Ary hoy Hosay tamin'i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin'i Jehovah sa ireto vahoaka ireto mbamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely, dia izy no hombako, sady ao aminy no hitoerako. 19 Ary koa, iza indray no hotompoiko? Tsy eo anatrehan'ny zanany va? Tahaka ny nanompoako teo anatrehan'ny rainao no hanompoako eto anatrehanao koa.
20 Ary hoy Absaloma tamin'i Ahitofela: Heveronareo tsara izay hataontsika. 21 Dia hoy Ahitofela tamin'i Absaloma: Midira ao amin'ny vaditsindranon-drainao, izay nampiandrasiny trano; dia ho ren'ny Isiraely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo anatrehan-drainao ianao, ka dia hahery ny tànan'izay rehetra momba anao. 22 Ary dia nanorin-day ho an'i Absaloma teo an-tampon-trano ny olona; ary Absaloma niditra tao amin'ny vaditsindranon-drainy teo imason'ny Isiraely rehetra. 23 Ary ny hevitr'i Ahitofela izay nataony tamin'izany dia hoatra ny manontany amin'Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon'i Ahitofela, na tamin'i Davida, na tamin'i Absaloma.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago