Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-348 @365
Herinandro faha-50 @52 |

2 Petera 2

Ny hahafantarana ny mpampianatra sandoka, sy faminaniana ny handringanana azy
1 Efa nisy mpaminany sandoka teo amin'ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handà ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin'ny tenany. 2 Ary maro no hanaraka ny fijejojejoany; ka ireny no hitenenan-dratsy ny lalan'ny fahamarinana. 3 Ary amin'ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin'ny teny mamitaka; efa ela izay no tsy nijanonjanona ny fitsarana ireny, ary tsy rendremana ny fahaverezany. 4 Fa raha tsy navelan'Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin'ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizinamba hotehirizina ho amin'ny fitsarana, 5 ary raha tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an'i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny safo-drano tamin'ny ratsy fanahy teo amin'izao tontolo izao,- 6 ary raha nataony nanjary lavenona ny tanàna Sodoma sy Gomora ka nohelohiny horavana ary nataony fananarana ho an'izay ratsy fanahy ato aoriana,- 7 fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan'ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka 8 (fa izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan'andro isan'andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan'ireo ny lalàna): 9 dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin'ny fijaliana ho amin'ny andro fitsarana,- 10 indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan'ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahalehibiazana. Ireo efa olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra. 11 Fa ny anjely aza, izay mihoatra amin'ny tanjaka sy ny hery, tsy mitondra fiampangana hitenenan-dratsy azy eo anatrehan'ny Tompo. 12 Fa ireo kosa izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan'aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin'ny fahalotoany, 13 ary hiharan'ny ratsy ho valin'ny faharatsiany izy. Ataony ho zava-mahafinaritra ny velona vetivety amin'ny fy, ka be pentimpentina sy tsiny izy sady velona amin'ny fy eo amin'ny fanasam-pifankatiavany, raha miara-mihinana aminareo, 14 manana maso feno fijangajangana, izay tsy mety mitsahatra amin'ny fahotana: dia mamitaka ny tsy miorina tsara izy; ary mampaharatra ny fony amin'ny hafatratry ny fitiavany harena, dia zanaky ny fanozonana izy; 15 efa niala tamin'ny lalana mahitsy izy ka nivily nanaraka ny lalan'i Balama, zanak'i Beora, izay tia ny tambin'ny tsi-fahamarinana, 16 nefa voanatra izy noho ny fahotany: ny boriky moana efa nanao feon'olona ka nisakana ny hadalan'ilay mpaminany. 17 Ireo efa loharano ritra, zavona entin'ny tafio-drivotra, ka efa tehirizina ho azy ny fahamaintisan'ny maizina. 18 Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan'ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony; 19 fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon'ny fahalotoana; efa izay maharesy ny olona dia mahandevo avy. 20 Fa raha misy efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr'izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany. 21 Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan'ny fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy. 22 Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: "Ny amboa miverina indray amin'ny loany" (Oha. 26. 11), ary: "Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray."

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago