Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-252 @365
Herinandro faha-36 @52 |

2 Mpanjaka 15

Ny nanjakan'i Azaria tamin'ny Joda, ary ny nankan'i Zakaria sy Saloma sy Menahema sy Pekahia ary Peka tamin'ny Israely
1 Tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Azaria, zanak'i Amazia, mpanjakan'ny Joda. 2 Enina ambin'ny folo taona izy, fony vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema. 3 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'i Amazia rainy; 4 kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona. 5 Ary Jehovah namely ny mpanjaka, ka dia boka mandra-pahafatiny izy ka nitoetra tao an-trano nitokana. Ary Jotama, zanakalahin'ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy nitsara ny vahoaka. 6 Ary ny tantaran'i Azaria sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany? 7 Ary Azaria dia lasa nodimandry any amin'ny razany, ka nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida izy; ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
8 Tamin'ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no nanjakan'i Zakaria, zanak'i Jeroboama, tamin'ny Isiraely, ary nanjaka enim-bolana tao Samaria izy. 9 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'ny razany izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, Izay nampanotany ny Isiraely. 10 Ary Saloma, zanak'i Jabesy, nikomy taminy, dia namely azy teo anatrehan'ny olona ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy. 11 Ary ny tantaran'i Zakaria sisa, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany. 12 Izany no ilay tenin'i Jehovah nolazainy tamin'i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin'ny zafindohalika dia hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely. Ka dia tanteraka izany. 13 Ary Saloma, zanak'i Jabesy, dia vao nanjaka tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka andro iray volana tany Samaria izy. 14 Fa Menahema, zanak'i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an'i Saloma, zanak'i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy. 15 Ary ny tantaran'i Saloma sisa mbamin'ny nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
16 Tamin'izany Menahema dia niala tany Tirza ka namely an'i Tifsa mbamin'izay rehetra tao hatramin'ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao notatahany. 17 Tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Menahema, zanak'i Gady, tamin'ny Isiraely, ary nanjaka folo taona tao Samaria izy. 18 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tamin'ny androny rehetra dia tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely. 19 Ary Pola, mpanjakan'i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an'i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan'i Menahema. 20 Ary nampandoavin'i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin'ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan'i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan'i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin'ny tany. 21 Ary ny tantaran'i Menahema sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany? 22 Ary Menahema lasa nodi-mandry any amin'ny razany, ary Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy. 23 Tamin'ny taona fahadimam-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Pekahia, zanak'i Menahema, tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona izy. 24 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely. 25 Ary Peka, zanak'i Remalia, lefiny, dia nikomy taminy ka namely an'i Pekahia mbamin'i Argoba sy Aria teo Samaria, tao amin'ny trano-avo amin'ny lapa, ary teo amin'Peka nisy olona dimam-polo lahy tamin'ny taranak'i Gileada; koa namono azy izy, dia nanjaka nandimby azy. 26 Ary ny tantaran'i Pekahia sisa mbamin'izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany. 27 Tamin'ny taona faharoa amby dimam-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia, tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa-polo taona izy. 28 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely. 29 Tamin'ny andron'i Peka, mpanjakan'ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, ka nahafaka an'Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin'ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy. 30 Ary Hosea, zanak'i Elaha, nikomy tamin'i Peta, Zanak'i Remalia, dia namely azy ho faty ka nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa-polo nanjakan'i Jotama, zanak'i Ozia. 31 Ary ny tantaran'i Peka sisa mbamin'izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
Ny nanjakan'i Jotama tamin'ny Joda
32 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'ny Joda. 33 Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin'i Zadoka. 34 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy; tahaka izay rehetra nataon'i Ozia rainy no nataony. 35 Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin'ny tranon'i Jehovah. 36 Ary ny tantaran'i Jotama sisa mbamin'Izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany? 37 Tamin'izany andro Izany no vao nampandehanan'i Jehovah an'i Rezina, mpanjakan'i Syria, sy Peka, zanak'i Remalia, hanafika an'i Joda. 38 Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago