Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-65 @365
Herinandro faha-10 @52 |

2 Korintiana 7

1 Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra. 2 Ataovy omby anay ny fonareo, tsy nanao izay tsy marina tamin'ny olona izahay, tsy nanimba olona, tsy nanambaka olona. 3 Tsy miteny izany ho fanamelohana aho; fa efa nilaza rahateo aho fa ao am-ponay ianareo, mba hiara-maty sy hiara-belona isika. 4 Be ny fahatokiako anareo, lehibe ny reharehako ny aminareo; feno fiononana aho sady be hafaliana indrindra amin'ny fahorianay rehetra. 5 Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay, dia tsy hiainan'ny nofonay, fa nampahorina tamin'ny zavatra rehetra: teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra. 6 Fa Andriamanitra, Izay mampionona ny mpandefitra, no efa nampionona anay tamin'ny nahatongavan'i Titosy, 7 ary tsy tamin'ny nahatongavany ihany, fa tamin'ny fampiononana izay nampiononanareo azy koa, raha nambarany taminay ny fanirianareo sy ny fitomanianareo sy ny fahazotoanareo hanaiky ahy; ka dia mainka nifaly aho. 8 Fa na dia nampalahelo anareo tamin'ny epistily aza aho, dia tsy manenina intsony, na dia nanenina ihany aza teo; fa fantatro fa efa nampalahelo anareo izany epistily izany, kanefa vetivety ihany. 9 Ary mifaly kosa aho ankehitriny, nefa tsy noho ny nampalahelovana anareo, fa noho ny nampalahelovana anareo mba hibebaka; fa nampahelovina araka an'Andriamanitra ianareo, mba tsy hataonay matiantoka na amin'inona na amin'inona. 10 Fa ny alahelo araka an'Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon'izao tontolo izao. 11 Fa, indro, izany nampalahelovana araka an'Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga fahazotoana manao ahoana teo aminareo! eny, fialan-tsiny manao ahoana! fahatezerana manao ahoana! fahatahorana manao ahoana! faniriana manao ahoana! zotom-po manao ahoana! famaliana ny ratsy natao manao ahoana! Tamin'izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin'izany raharaha izany ianareo. 12 Koa na dia nanoratra taminareo aza aho, dia tsy noho ny nanao izay tsy marina, na noho ny niaritra izay tsy marina, fa mba haseho aminareo eo anatrehan'Andriamanitra ny fahazotoanareo hanaiky anay. 13 Ary noho izany dia nampiononina izahay, ary tamin'ny nampiononana anay dia vao mainka nifaly izahay noho ny fifalian'i Titosy, fa ianareo rehetra efa namelombelona ny fanahiny. 14 Ary raha nisy nataoko rehareha taminy ny aminareo, dia tsy mahamenatra ahy izany; fa tahaka ny nilazanay marina taminareo ny zavatra rehetra, dia tonga marina koa ny reharehanay tamin'i Titosy ny aminareo. 15 Ary vao mainka miraikitra aminareo aza ny fony, raha mahatsiaro ny fanarahanareo rehetra izy, dia ny haben'ny fahatahorana sy ny fangovitana nandraisanareo azy. 16 Ary faly aho fa matoky anareo amin'ny zavatra rehetra.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago