Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-250 @365
Herinandro faha-36 @52 |

2 Korintiana 10

Teny nentin'i Paoly namaly izay nanohitra sy nanevateva ny fahefany ka azy tsy ho Apostoly marina
1 Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin'ny hamoram-panahy sy ny fandeferan'i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo. 2 Dia mangataka aho mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin'ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana amin'ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo. 3 Fa na dia velona amin'ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo 4 (fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy); 5 fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy, 6 ary vonona hamaly ny tsi-fanarahana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fanarahanareo. 7 Mijery zavatra araka ny fisehony ihany va ianareo? Raha misy olona matoky ny tenany fa an'i Kristy, aoka izy hisaintsaina izao indray, fa tahaka ny mah'an'i Kristy azy no mah'an'i Kristy anay koa. 8 Fa na dia bebe ihany aza ny fireharehako ny amin'ny fahefanay izay nomen'i Kristy anay hananganana, fa tsy handravana anareo, dia tsy hahazo henatra aho, 9 mba tsy hisehoako toy ny ta-hampitahotra anareo amin'ny epistily. 10 Fa ny epistiliny, hoy izy, dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan'ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny. 11 Aoka izany olona izany hihevitra izao, fa tahaka ny fiteninay amin'ny epistily, raha tsy eo izahay, dia ho tahaka izany koa ny asanay rehefa tonga izahay. 12 Fa izahay tsy sahy hanao ny tenanay ho isan'ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenanay amin'ny tenany sy mampitaha ny tenany amin'ny tenanay. 13 Fa izahay tsy mba hirehareha tsy amin'ohatra, fa araka ny ohatry ny voafaritr'Andriamanitra ho anjaranay, dia ohatra mihatra aminareo. 14 Fa tsy toy izay tsy mihatra aminareo izahay ka mihoatra ny faritry ny anjaranay; fa tonga hatrany aminareo aza izahay amin'ny filazantsaran'i Kristy; 15 tsy mirehareha tsy amin'ohatra amin'izay nisasaran'ny sasany izahay, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo, dia hohalehibiazina ao aminareo izahay araka ny voafaritra ho anjarany, sady mbola handroso ihany 16 ka hitory ny filazantsara amin'ny tany any ankoatranareo, ary tsy hirehareha amin'izay efa vonona rahateo ao anatin'ny voafaritra ho an'ny sasany. 17 Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9, 23) 18 Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain'ny Tompo.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago