Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-267 @365
Herinandro faha-39 @52 |

1 Tantara 7

Ny taranak'Isakara sy Benjamina sy Naftaly sy ny antsasaky ny firenen'i Manase sy Efraima ary Asera
1 Ary ny zanakalahin'Isakara dia Tola sy Poa sy Jasoba ary Simrona; efatra izy. 2 Ary ny zanakalahin'i Tola dia Ozy sy Refaia sy Jeriela sy Jamay sy Jibsama ary Samoela, samy lohan'ny fianakaviany avy, dia zanak'i Tola sady samy lehilahy mahery tamin'ny fokony avy ireo; enin-jato amby roa arivo sy roa alina no isany tamin'ny andron'i Davida. 3 Ary ny zanakalahin'i Ozy dia Jizrahia. Ary ny zanakalahin'i Jizrahia dia Mikaela sy Obadia sy Joela ary Jisia; dimy izy; loholona avokoa izy rehetra ireo. 4 Ary nanana miaramila antokotokony izy araka ny fireneny sy ny fianakaviany avy, dia enina arivo amby telo alina; fa maro ny vady aman-janak'ireo. 5 Ary ny rahalahiny ao amin'ny fokon'ny Isakara rehetra, izay samy lehilahy mahery, ny isan'izy rehetra araka ny firazanany avy dia fito arivo amby valo alina.
6 Ny zanakalahin'i Benjamina dia Bela sa Bakera ary Jediaela; telo izy. 7 Ary ny zanakalahin'i Bela dia Ezbona sy Ozy sy Oziela sy Jerimota ary Iry; dimy izy, ary samy lohan'ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery avokoa; ary ny Isany araka ny firazanany dia efatra amby telo-polo amby roa arivo sy roa alina. 8 Ary ny zanakalahin'i Bakera dia Zemira sy Joasy sy Eliezera sy Elioenay sy Omry sy Jerimota sy Abia sy Anatota ary Alameta. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Bakera. 9 Ary ny isany araka ny firazanany amin'ny fireneny, izay samy lohan'ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery, dia roanjato sy roa alina. 10Ny zanakalahin'i Jediaela dia Bilana; ary ny zanakalahin'i Bilana dia Jeosy sy Benjamina sy Ehoda sy Kenana sy Zetana sy Tarsisy ary Ahisahara 11 Ireo zanakalahin'i Jediaela rehetra ireo, araka ny lohan'ny fianakaviany, dia roan-jato amby fito arivo sy iray alina no isan'ny lehilahy mahery azo nalefa hanafika. 12 Sopima koa sy Hopima, zanakalahin'Iry, ary Hosima, zanakalahin'i Ahera.
13 Ny zanakalahin'i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera sy Saloma, samy zanakalahin'i Bila ireo.
14 Ny zanakalahin'i Manase dia Asriela, Izay naterany; fa ilay Syriana vaditsindranony kosa no niteraka an'i Matira, rain'i Gileada. 15 Ary Makira naka vady ho an'i Hopima sy Sopima; ny anaran'ny rahavaviny dia Imaka; ary ny anaran'ny manarakaraka dia Zelofada; ary Zelofada nanan-janakavavy. 16 Ary Imaka, vadin'i Makira, niteraka zaza, ahy, ka Paresy no nataony anarany; ary Saresy no anaran'ny rahalahiny; ary ny anaran'ny zananilahy dia Olama sy Rakema. 17 Ary ny zanakalahin'i Olama dia Bedana. Ireo no zanakalahin'i Gileada, zanakalahin'i Makira, zanakalahin'i Manase. 18 Ary Hamoleketa anabaviny niteraka an'Isehoda sy Abiezera ary Mahala. 19 Ary ny zanakalahin'i Semida dia Ahiana sy Sekema sy Liky ary Aniama.
20 Ary ny zanakalahin'i Efraima dia Sotela (Bareda no zanakalahin'i Sotela, Tahata no zanakalahin'i Bareda, Elada no zanakalahin'i Tahata, Tahata no zanakalahin'i Elada, 21 Zabada no zanakalahin'i Tahata, Sotela no zanakalahin'i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay novonoin'ny tompon-tany tao Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny aman'ondriny izy. 22 Ary Efraima, rainy nisaona azy ela, dia avy ny rahalahiny hampionona azy. 23 Ary nony niray tamin'ny vadiny izy, dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany nataony hoe Beria, satria nisy fahoriana tao an-tranony tamin'izany. 24 (Ary ny zananivavy dia Sera, izay nanorina an'i Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera). 25 Ary Refa sy Rasefa no zanakalahin'i Beria, Tela no zanakalahin'i Rasefa, Tahana no zanakalahin'i Tela, 26 Ladana no zanakalahin'i Tahana, Amihoda no zanakalahin'i Ladana, Elisama no zanakalahin'i Amihoda. 27 Nona no zanakalahin'i Elisama, Josoa no zanakalahin'i Nona.
28 Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny;
29 ary teo amin'ny sisin-tanin'ny taranak'i Manase dia Beti-sana sy ny zana-bohiny, Tanaka sy ny zana-bohiny, Megido sy ny zana-bohiny, Dora sy ny zana-bohiny Tamin'ireo no nonenan'ny taranak'i Josefa, zanak'Isiraely.
30 Ny zanakalahin'i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria; ary Sera no anabavin'ireo. 31 Ary ny zanakalahin'i Beria dia Hebera sy Malkiela, rain'i Birzavita. 32 Ary Hebera niteraka an'i Jafleta sy Somera sy Hotama; ary Soha no anabavin'ireo. 33 Ary ny zanakalahin'i Jafleta dia Pasaka sy Bimala ary Asvata. Ireo no zanakalahin'i Jafleta. 34 Ary ny zanakalahin'i Samera dia Ahaia sy Rohaga sy Hoba ary Arama. 35 Ary ny zanakalahin'i Helema rahalahiny dia Zofa sy Jimna sy Selesy ary Amala. 36 Ny zanakalahin'i Zofa dia Soha sy Harnefera sy Soala sy Bery sy Jimra 37sy Bazera sy Hoda sy Sama sy Silsa sy Jitrana ary Bera. 38 Ary ny zanakalahin'i Jatera dia Jefone sy Pispa ary Ara. 39 Ary ny zanakalahin'i Ola dia Ara sy Haniela ary Rizia. 40 Ireo zanakalahin'i Asera rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary lehiben'ny loham-pireneny avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo amby roa alina no isan'ny azo nalefa hanafika.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago