Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-273 @365
Herinandro faha-39 @52 |

1 Tantara 13

Ny namindrana ny fiara niala tao Kiriata-jearima, sy ny nitoerany tao an-tranon'i Obed-edoma
1 Ary Davida naka saina tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia ny mpifehy rehetra, 2 Ka hoy Davida tamin'ny Isiraely rehetra izay tafangona: Raha ataonareo ho mety, sady avy amin'i Jehovah Andriamanitsika izany, dia andeha isika haniraka faingana any amin'ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra ary amin'ny mpisorona sy ny Levita koa, izay any amin'ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika; 3 Ary aoka ho entintsika atỳ amintsika indray ny fiaran'Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika tamin'ny andron'i Saoly izany. 4 Ary ny olona rehetra izay tafangona dia nanaiky hanao izany, satria marina teo imason'ny olona rehetra izany. 5 Dia novorin'i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin'i Hamata haka ny fiaran'Andriamanitra avy any Kiriata-jearima. 6 Dia niakatra Davida sy ny Isiraely rehetra hankany Bala any Joda (Kiriata-jearima izany) hampakatra ny fiaran'i Jehovah Andriamanitra, Izay mipetraka amin'ny kerobima, dia ilay niantsoany ny anarany. 7 Ary nentiny tamin'ny sariety vaovao niala tao an-tranon'i Abinadaba ny fiaran'Andriamanitra, ary Oza sy Ahio no nampandeha ny sariety. 8 Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan'Andriamanitra tamin'ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra. 9 Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Kidona izy, dia naninjitra ny tànany hihazona ny fiara Oza, satria nazeran'ny omby izany. 10 Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah, ka namely azy Izy noho ny naninjirany ny tànany tamin'ny fiara, dia maty teo anatrehan'Andriamanitra izy. 11 Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza no anaran'izany tany izany mandraka androany. 12 Ary Davida natahotra an'Andriamanitra tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana aho no hitondra ny fiaran'Andriamanitra ho atỳ amiko? 13 Dia tsy nafindran'i Davida ho ao aminy ao an-tanànan'i Davida ny fiara, fa naviliny ho ao an-tranon'i Obededoma Gatita. 14 Ary nipetraka telo volana tao amin'ny ankohonan'i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran'Andriamanitra; ka dia notahin'i Jehovah ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay rehetra nananany.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago