Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-178 @365
Herinandro faha-26 @52 |

1 Samoela 8

Ny nangatahan'ny Isiraely mpanjaka
1 Ary rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no nataony mpitsara ny Isiraely. 2 Ary Joela no anaran'ny lahimatoany, ary Abia no anaran'ny faralahiny; mpitsara tany Beri-sheba izy ireo. 3 Nefa ny zanany tsy nanaraka ny dian-drainy, fa nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra. 4 Ary ny loholon'ny Isiraely rehetra nivory tao Rama ho any amin'i Samoela 5 ka nanao taminy hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao tsy manaraka ny dianao; koa manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra. 6 Fa tsy sitrak'i Samoela ny nanaovan'ny olona hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin'i Jehovah Samoela.
7 Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Henoy ihany ny tenin'ny olona amin'izany rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy. 8 Araka ny asa rehetra izay nataony hatramin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Egypta ka mandraka androany, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamani-kafa, dia toy izany koa no ataony aminao. 9 Ary ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminy.
10 Dia nambaran'i Samoela tamin'ny olona izay nangataka mpanjaka taminy ny teny rehetra nolazain'i Jehovah. 11 Ary hoy izy: Izao no ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo-lahy dia halainy ka hotendreny ho amin'ny kalesiny sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan'ny kalesiny, 12 ary hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hanao ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny; 13 ary ny zanakareo-vavy dia halainy ho mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy mpanao mofo; 14 ary ny tsara indrindra amin'ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny tanin'olivanareo dia halainy ka homeny ho an'ny mpanompony; 15 ary ny ampahafolon'ny voan-javatrareo sy ny tanim-boalobokareo dia halainy ka homeny ho an'ny tandapany sy ny tandonany. 16 Ary ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo sy ny zatovonareo tsara indrindra ary ny borikinareo dia halainy ka hampanaoviny ny asany. 17 Ary halainy koa ny ampahafolon'ny ondry aman'osinareo; ary ny tenanareo ho tonga mpanompony. 18 Ary hitaraina amin'izany andro izany ianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin'izany andro izany. 19 Kanefa tsy nety nihaino ny tenin'i Samoela ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay, 20 mba ho tahaka ny firenena rehetra koa izahay, ka ny mpanjakanay hitsara anay sy hivoaka eo alohanay ary hitarika ny adinay. 21 Ary ren'i Samoela ny teny rehetra nolazain'ny olona, ka dia nolazainy teo anatrehan'i Jehovah kosa. 22 Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Henoy ny teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy Samoela tamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely: Samia ary mandeha ho any amin'ny tanànanareo avy ianareo rehetra.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago