Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-197 @365
Herinandro faha-29 @52 |

1 Samoela 31

Ny nahafatesan'i Saoly sy ny zanany, ary ny nandevenana azy
1 Ary ny Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely, ary niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty. 2 Ary ny Filistina nanenjika mafy an'i Saoly sy ny zanany, ka matin'ny Filistina Jonatana sy Abinadaba ary Malkisoa, zanak'i Saoly. 3 Ary mafy ny ady tamin'i Saoly, dia nifanehatra tamin'ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra indrindra izy noho ny mpandefa tsipìka. 4 Ary hoy Saoly tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho, fandrao avy irery tsy mifora irery ka hotsatohany miboroaka aho, dia hataony ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain'i Saoly ny sabatra ka nianjerany. 5 Ary rehefa hitan'ny mpitondra ny fiadiany fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin'ny sabany koa izy ka niara-maty taminy. 6 Ka dia niara-maty androtrizay ihany Saoly sy ny zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fiadiany ary ny olony rehetra. 7 Ary nony hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely teny an-dafin'ny lohasaha sy teny an-dafin'i Jordana fa nandositra ny lehilahy amin'ny Isiraely, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tao an-tanàna izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
8 Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin'ny maty ny Filistina, dia nahita an'i Saoly sy ny zanany telo lahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy. 9 Ary notapahiny ny lohany, sady nalainy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin'ny tanin'ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany ao amin'ny tranon'ny sampiny sy amin'ny olona. 10 Dia napetrany tao amin'ny tranon'i Astarta ny fiadiany; ary ny fatiny nohomboany teo amin'ny màndan'i Beti-sana. 11 Ary nony ren'ny mponina tany Jabesi-gileada izay nataon'ny Filistina tamin'i Saoly, 12 dia niainga ny lehilahy mahery rehetra ka nandeha mandritra ny alina ary naka ny fatin'i Saoly sy ny fatin'ny zanany teo amin'ny màndan'i Beti-sana; ary tonga tao Jabesy izy ka nandoro azy tao. 13 Ary nentiny ny taolany ka naleviny tao ambanin'ilay hazo tamariska tao Jabesy, ary dia nifady hanina hafitoana izy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago