Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-190 @365
Herinandro faha-28 @52 |

1 Samoela 22

Ny nirenirenen'i Davida tany Joda sy Moaba, ary ny namonoan'i Saoly ny mpisorona maro
1 Ary Davida niala teo ka nandositra nankany amin'ny zohin'i Adolama; ary nony nandre izany ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy, dia nidina tany aminy ireo. 2 Ary izay mahantra rehetra sy izay mpitrosa rehetra ary izay manana alahelo am-po rehetra dia nivory tao aminy, ary izy no tonga mpifehy azy; ka dia tonga tokony ho efa-jato lahy ny tao aminy. 3 Ary Davida niala tao nankany Mizpa any Moaba ka nanao tamin'ny mpanjakan'i Moaba hoe: Masìna ianao, avelao ny raiko sy ny reniko ho avy atỳ hitoetra etỳ aminao ambara-pahafantatro izay hataon'Andriamanitra amiko. 4 Ary dia nentiny ho eo anatrehan'ny mpanjakan'i Moaba izy ireo ka nonina teo aminy tamin'ny andro rehetra nitoeran'i Davida tao amin'ny batery fiarovana. 5 Ary hoy Gada mpaminany tamin'i Davida: Aza mitoetra ao amin'ny batery fiarovana; fa mialà, ka mankanesa any amin'ny tanin'ny Joda. Dia nandeha Davida ka tonga tany an'ala Hareta. 6 Ary ren'i Saoly fa hita Davida sy ny olona nanaraka azy (nipetraka tao Gibea teo ambanin'ny hazo tamariska teo an-kavoana Saoly tamin'izay, sady nisy lefona teny an-tànany, ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo anoloany), 7 dia hoy Saoly tamin'ny mpanompony izay teo anoloany: Henoy kely, ry taranak'i Benjamina: Moa ianareo rehetra koa mba homen'ny zanak'i Jese saha sy tanim-boaloboka, ary mba hataony mpifehy arivo sy mpifehy zato ianareo rehetra, 8 no dia miray tetika hanohitra ahy ianareo rehetra, ka tsy nisy nanambara tamiko fa ny zanako nanao fanekena tamin'ny zanak'i Jese, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo, na nanambara tamiko fa ny zanako efa nanome fo ny mpanompoko ho mpanotrika ahy tahaka ny amin'izao anio izao? 9 Ary Doega Edomita, mpifehyny mpanompon'i Saoly, namaly ka nanao hoe: Nahita ny zanak'i Jese tonga tany Noba aho tany amin'i Ahimeleka, zanak'i Ahitoba. 10 Ary Ahimeleka nanontany ho azy tamin'i Jehovah sady nanome azy vatsy; ary nomeny azy koa ny sabatr'i Goliata Filistina. 11 Ary ny mpanjaka dia naniraka naka an'i Ahimeleka mpisorona, zanak'i Ahitoba, sy ny tarana-drainy rehetra, izay mpisorona, tao Noba; ka dia tonga tany amin'ny mpanjaka izy rehetra. 12 Ary hoy Saoly: Mba mihainoa ianao, ry zanak'i Ahitoba. Ary izy namaly hoe: Inty aho, tompoko. 13 Ary hoy Saoly taminy: Nahoana ianareo no niray tetika hanohitra ahy, dia ianao sy ny zanak'i Jese, tamin'ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin'Andriamanitra hahatongavany ho mpanotrika ahy tahaka ny amin'izao anio izao? 14 Ary Ahimeleka namaly ny mpanjaka hoe: Iza moa amin'ny mpanomponao rehetra no mba mahatoky tahaka an'i Davida, izay vinanton'ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina anao sy malaza ao an-tranonao? 15 Ary vao izay va no nanontaniako ho azy tamin'Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka ny mpanjaka tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny tarana-draiko rehetra; fa ny mpanomponao tsy nahalala na inona na inona ny amin'izany rehetra izany, na kely na be. 16 Fa hoy ny mpanjaka: Hatao maty tokoa ianao, ry Ahimeleka, dia ianao sy ny tarana-drainao rehetra. 17 Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny mpiambina izay teo anoloany: Mihodina, ka vonoy ny mpisoron'i Jehovah; fa ny tànan'ireo koa momba an'i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon'ny mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron'i Jehovah. 18 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Doega: Mihodina ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy. 19 Dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra koa Noba, tanànan'ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman'osy.
20 Ary ny anankiray tamin'ny zanak'i Ahimeleka, zanak'i Ahitoba, Abiatara no anarany, dia afa-nandositra ka nanaraka an'i Davida. 21 Ary Abiatara nanambara tamin'i Davida ny namonoan'i Saoly ny mpisoron'i Jehovah. 22 Ary hoy Davida tamin'i Abiatara: Fantatro androtr'iny ihany fa tao Doega Edomita ka hilaza amin'i Saoly tokoa; koa izaho no anton'ny nahafaty ny olona rehetra tamin'ny tarana-drainao. 23 Tomoera etỳ amiko, ka aza matahotra; fa izay mikatsaka ny aiko no mikatsaka ny ainao koa; fa eto amiko no hahavoavonjy anao.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago