Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-190 @365
Herinandro faha-28 @52 |

1 Samoela 21

1 Dia nitsangana Davida ka lasa; fa Jonatana kosa nankany an-tanàna.
Ny nandosiran'i Davida nankany Noba, sy ny nialany tany nankany Gata
Ny nandosiran'i Davida nankany Noba, sy ny nialany tany nankany Gata
2 Ary Davida tonga tany Noba, tany amin'i Ahimeleka mpisorona; ary toran-kovitra Ahimeleka, raha nihaona tamin'i Davida, ka nanao taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao, fa tsy misy manaraka anao? 3 Dia hoy Davida tamin'i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka efa nanome raharaha ahy, ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr'olona ny raharaha nanirahako sy nandidiako anao; ka dia nasaiko nankary ny zatovoko. 4Koa inona no misy ato aminao? Omeo mofo dimy aho ho etỳ an-tanako, na izay misy. 5 Ary ny mpisorona namaly an'i Davida hoe: Tsy misy mofo fihinana ato amiko, fa mofo masina ihany no ato, ka raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo. 6Ary Davida namaly ny mpisorona ka nanao taminy hoe: Eny, fa hatramin'ny hateloana efa tsy niara-nitoetra tamim-behivavy rahateo izahay; ary tamin'izaho niainga dia masina ny fanaky ny zatovo; ary na dia tsy masina aza ny lalana, dia hohamasinina anio izy noho ny fanaka. 7 Ary ny mpisorona nanome azy mofo masina; fa tsy nisy mofo teo, afa-tsy ny mofo aseho, izay nalainy teo anatrehan'i Jehovah, mba hasiana mofo mafana tamin'ny andro nanesorana azy. 8 (Nefa nisy anankiray tamin'ny mpanompon'i Saoly teo tamin'izany andro izany, voahazona teo anatrehan'i Jehovah, Doega Edomita no anarany; lehiben'ny mpiandrin'i Saoly izy.) 9 Ary hoy Davida tamin'i Ahimeleka: Tsy misy lefona na sabatra va eto aminao? fa izaho tsy nitondra ny sabatro na ny fiadiako etỳ amiko, satria nahamaika ny raharahan'ny mpanjaka. 10 Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr'i Goliata Filistina, ilay novonoinao tao amin'ny lohasaha Elaha, indro, fa mifono lamba ao ivohon'ny efoda izy; ka raha iny no ho entinao, dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Ary hoy Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy. 11 Ary Davida niainga nandositra tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'i Saoly, dia nankany amin'i Akisy, mpanjakan'i Gata. 12 Ary hoy ny mpanompon'i Akisy taminy: Tsy ity moa no Davida, mpanjakan'ny tany? Tsy izy va no nandihizany sy nifampihirany hoe: Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina? 13 Ary dia nalatsak'i Davida tao am-pony izany teny izany, ka natahotra an'i Akisy, mpanjakan'i Gata, indrindra izy. 14Dia nody adala teo anatrehany izy ka nanao tahaka ny olona very saina teo aminy, fa nanoratsoratra teo amin'ny lela-vavahady izy, sady navelany hitsororoka tamin'ny somony ny iviny. 15 Ary hoy Akisy tamin'ny mpanompony: He! hitanareo fa very saina io lehilahy io, ka nahoana no nentinareo etỳ amiko izy? Izaho moa mitady olona very saina, no nitondranareo ity olona very saina ity mba hanondrana eto anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va ilehio?

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago