Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-186 @365
Herinandro faha-27 @52 |

1 Samoela 17

Ny amin'i Davida sy Goliata
1 Ary ny Filistina namory ny miaramilany hiady, ka tafavory tao Soko any Joda izy ary nitoby teo anelanelan'i Soko sy Azeka, dia tao Efesa-damima. 2 Ary Saoly sy ny lehilahy amin'ny Isiraely dia tafavory ka nitoby teo amin'ny lohasaha Elaha ary nilahatra hiady amin'ny Filistina. 3 Ary ny Filistina dia teo am-pita teo amin'ny tendrombohitra iray, ary ny Isiraely kosa teo am-pita teo amin'ny tendrombohitra iray, ary lohasaha no elanelany. 4 Ary nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin'ny tobin'ny Filistina, Goliata avy any Gata no anarany; enina hakiho sy irain-jehy no halavany 5 Ary nisatroka fiarovan-doha varahina izy, ary niakanjo fiarovan-tratra, ka ny lanjan'ny akanjony varahina dia dimy arivo sekely. 6 Ary nanao fiarovan-dranjo varahina tamin'ny tongony izy ary lefom-pohy varahina teo an-damosiny. 7 Ary ny haben'ny zaran-defony dia tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; ary ny lela-lefony dia vy lanjan-tsekely enin-jato; ary nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany. 8 Ary nijanona izy, dia niantso ny miaramilan'ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho, ary ianareo kosa mpanompon'i Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo, ary aoka izy hidina etỳ amiko. 9 Raha tàhiny maharesy ahy izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay. 10 Ary hoy ilay Filistina: Izaho efa nihaika ny miaramilan'ny Isiraely androany; amoahy lehilahy iray aho hiady amiko. 11 Ary raha ren'i Saoly sy ny Isiraely rehetra izany tenin'ilay Filistina izany, dia nivadi-po izy ka raikitahotra loatra. 12 Ary Davida dia zanak'ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin'ny andron'i Saoly; 13 ary ny zokiny telo lahy tamin'ny zanak'i Jese lasa nanaraka an'i Saoly nankany an-tafika; ary ny anaran'ny zanany telo lahy lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama no fahatelony; 14  ary Davida no faralahy; ary izy telo lahy zokiny lasa nanaraka an'i Saoly; 15 fa Davida kosa nivoivoy avy tany amin'i Saoly hiandry ny ondrin-drainy tany Betlehema. 16 Ary ilay Filistina nanatona marain-tsy hariva ka niseho efa-polo andro.
17 Ary hoy Jese tamin'i Davida zanany: Ento ity lango eran'ny efaha ity sy ireto mofo folo ireto ho an'ny rahalahinao; ka dia atero faingana ho any an-toby ho any amin'ny rahalahinao. 18 Ary ento ho an'ny mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia izahao na tsara ihany ny rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray izay hahafantarako ny toeny aho.
19 Ary Saoly sy izy telo lahy mbamin'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely dia teo amin'ny lohasaha Elaha niady tamin'ny Filistina.
20 Dia nifoha maraina koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman'olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian'i Jese azy; ary tonga teo amin'ny sehatra-sariety izy; ary ny antokon'ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady tamin'izay. 21 Fa ny Isiraely sy ny Filistina efa nilahatra hiady ka nifanatrika ny miaramila. 22 Ary Davida namela ny entany teo anilan'ny mpiambina entana, dia nihazakazaka nankeny amin'ny laharan'ny miaramila, ary tonga ka nanontany ny amin'izay toetry ny rahalahiny. 23 Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, tamy niakatra avy teo amin'ny laharan'ny miaramilan'ny Filistina ilay mpihantsy ady, lehilahy Filistina avy any Gata, Goliata no anarany; ary niteny tahaka ny teo aloha ihany izy ka ren'i Davida. 24 ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely, raha nahita io lehilahy io, dia nandositra azy, fa natahotra indrindra izy. 25 Ary hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon'ny mpanjaka manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy hampandoavin-ketra amin'ny Isiraely ny tarana-drainy. 26 Ary hoy Davida tamin'ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin'izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona? 27 Ary ny olona namaly hoe: Izany ka izany no hatao amin'izay lehilahy mahafaty azy. 28 Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin'ny olona dia nirehitra tamin'i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midina etỳ? Ary amin'iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian'ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ. 29 Ary hoy Davida: Moa maninona aho izao? Mba miteny aho, ka nahoana moa? 30 Ary niala teo aminy hankany amin'ny sasany koa izy ka niteny tahaka ny teo; ary ny olona namaly azy tahaka ny teo ihany indray.
31 Ary nony ren'ny olona ny teny izay nataon'i Davida, dia nambarany tamin'i Saoly; ka dia naniraka naka azy izy. 32 Ary hoy Davida tamin'i Saoly: Aoka tsy ho ketraka amin'ilehio ny fon'ny olona; fa ny mpanomponao handeha hiady amin'io Filistina io. 33 Fa hoy Saoly tamin'i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin'io Filistina io, satria mbola zaza ianao, fa izy efa mpiady hatrizay niainany. 34 Fa hoy Davida tamin'i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak'ondry teo amin'ny ondry, 35 dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak'ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin'ny somony, ary nasiako ka matiko. 36 Ny liona sy ny bera samy novonoin'ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin'ireny, satria nihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona izy. 37 Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny tanan'ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin'ny tanan'io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin'i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah.
38 Ary Saoly nampiakanjo an'i Davida ny akanjo fiadiany ary nanisy fiarovan-doha varahina tamin'ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra. 39 Ary Davida namehy ny sabany tamin'ny akanjo fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola nahazatra azy izany, ka hoy izy tamin'i Saoly: Tsy afa-mandeha amin'ireto aho, fa tsy mbola nahazatra ahy; ary dia nesorin'i Davida izany. 40 Dia nitondra ny tehiny teny an-tànany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin'ny lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin'ny kitapo fitondran'ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany; dia nanatona ilay Filistina izy.
41 Ary ilay Filistina nandroso nanatona an'i Davida, sady teo alohany ilay lehilahy mitondra ny ampinga lehibe. 42 Ary nony nijerijery an'i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena volono tsara tarehy. 43 Ary hoy ilay Filistina tamin'i Davida: Alika angaha aho, no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina 44 sady nanao tamin'i Davida hoe: Avia etỳ amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny nofon'ialahy. 45 Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. 46Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely. 47 Ary ho fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy. 48 Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an'i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin'ny laharan'ny miaramila hitsena ilay Filistina. 49 Ary natsofok'i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin'ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny, ary nilentika tamin'ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin'ny tany izy. 50 Toy izany no nandresen'i Davida ilay Filistina tamin'ny vaton'antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida. 51 Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan'ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr'ilehio ka notsoahany tamin'ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan'ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy. 52 Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin'i Gay sy ny vavahadin'i Ekrona; ary izay voa tamin'ny Filistina dia niampatrampatra teny amin'ny lalana mankany Saraima ary hatrany Gata ka hatrany Ekrona. 53 Ary ny Zanak'Isiraely niverina avy nanenjika mafy ny Filistina ka namabo ny tobiny koa. 54 Ary ny lohan'ilay Filistina dia noraisin'i Davida ka nentiny tany Jerosalema; fa ny fiadiany napetrany tao amin'ny lainy.
Ny nitoeran'i Davida tao amin'i Saoly, sy ny nialonan'i Saoly azy
55 Ary nony nahita an'i Davida nandeha hiady tamin'ny Filistina Saoly, dia hoy izy tamin'i Abnera, komandin'ny miaramila: Ry Abnera, zanak'iza moa iny zaza iny? Ary hoy Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively. 56 Ary hoy ny mpanjaka: Anontanionao na zanak'iza na zanak'iza iny zaza iny. 57 Ary nony niverina avy namono ilay Filistina Davida, dia nalain'i Abnera izy ka nentiny teo anatrehan'i Saoly, ary mbola teny an-tànany ihany ny lohan'ilay Filistina. 58 Dia hoy Saoly taminy: Zanak'iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak'i Jese Betlehemita mpanomponao aho.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago