Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-184 @365
Herinandro faha-27 @52 |

1 Samoela 15

Ny tsy nahatanterahan'i Saoly ny tenin'Andriamanitra ny amin'ny handringanana ny Amalekita, sy ny nandavan'Andriamanitra azy tamin'izany
1 Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin'i Jehovah ianao. 2 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hovaliako izay nataon'ny Amalekita tamin'ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Egypta. 3 Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman'osy, na rameva, na boriky. 4 Ary Saoly namory ny olona ka nandamina azy tao Telaima, dia roa hetsy ny mandeha an-tongotra, ary iray alina ny lehilahy amin'ny Joda. 5 Ary Saoly dia tonga tao an-tanànan'ny Amalekita ka nanotrika tao an-dohasaha. 6 Ary hoy Saoly tamin'ny Kenita: Andeha miala ianareo, ka midìna hiala amin'ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak'Isiraely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin'ny Amalekita ny Kenita. 7 Ary Saoly namely ny Amalekita hatrany Havila amin'ny lalana mankany Sora izay tandrifin'i Egypta. 8Ary azony sambo-belona Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, fa ny vahoaka rehetra kosa dia naringany tamin'ny lelan-tsabatra. 9 Fa Saoly sy ny olona tsy namono an'i Agaga sy izay tsara indrindra tamin'ny ondry aman'osy sy ny omby sy ny mifahy sy ny zanak'ondry ary izay tsara rehetra, fa tsy foiny ho naringana ireny; fa ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia naringany ihany avokoa. 10 Ary tonga tamin'i Samoela ny tenin'i Jehovah hoe: 11 Manenina Aho noho ny nanaovako an'i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin'ny fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny teniko. Dia tezitra Samoela ka nitaraina tamin'i Jehovah mandritra ny alina. 12 Ary nifoha maraina koa Samoela hitsena an'i Saoly, dia nisy nilaza tamin'i Samoela hoe: Saoly efa tonga ato Karmela, ary, indro, izy nanorina fahatsiarovana ho azy, dia nihodina ka nandroso nidina ho any Gilgala. 13 Ary Samoela tonga teo amin'i Saoly, dia hoy Saoly taminy: Hotahin'i Jehovah anie ianao; efa nahatanteraka ny tenin'i Jehovah aho. 14 Fa hoy Samoela: Inona anefa izany fibarareoky ny ondry aman- osy ren'ny sofiko izany sy ny fimàmàn'ny omby reko? 15 Ary hoy Saoly: Avy tany amin'ny Amalekita no nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry aman'osy sy omby tsara indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao, fa ny sisa dia naringanay ihany avokoa. 16 Dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Aoka izay, fa hambarako aminao izay nolazain'i Jehovah tamiko halina. Ary hoy izy taminy: Ambarao ary. 17 Dia hoy Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan'ny firenen'Isiraely va? Ary Jehovah nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely; 18 ary Jehovah naniraka anao ka nanao hoe: Mandehana, ka aringano avokoa ny Amalekita mpanota, ary miadia aminy ambara-paharingany. 19 Koa nahoana ianao no tsy nihaino ny feon'i Jehovah, fa nanao an-kazakazaka tamin'ny babo ka nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah? 20 Fa hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nihaino ny feon'i Jehovah ihany aho ka nandeha tamin'izay nanirahan'i Jehovah ahy ary nitondra an'i Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, sady nandringana ny Amalekita rehetra. 21 Nefa nangalan'ny olona ondry aman'osy sy omby ny babo, dia izay soa avy tamin'ny zavatra haringana,1 mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao ao Gilgala. 22 Fa hoy Samoela: Sitrak'i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon'i Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran'ondrilahy. 23 Fa ny miodina dia toy ny heloka amin'ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa. 24 Ary hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin'i Jehovah sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony. 25 Koa ankehitriny, masìna ianao, mamelà ny heloko ary miverena amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan'i Jehovah. 26 Fa hoy Samoela tamin'i Saoly: Tsy hiverina aminao aho; fa ianao efa nandà ny tenin'i Jehovah, ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan'ny Isiraely intsony. 27 Ary nony nihodina handeha Samoela, dia nohazonin'i Saoly ny sisin'akanjony ka triatra. 28 Dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Efa notriarin'i Jehovah kosa ho afaka aminao androany ny fanjakan'Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho ianao. 29 Ary koa, ny Tokin'ny Isiraely tsy mba handainga na hanenina, fa tsy olona Izy ka hanenina. 30 Fa hoy Saoly: Efa nanota aho izao, kanefa, masìna ianao, mba omeo voninahitra eo anatrehan'ny loholoko sy eo anatrehan'ny Isiraely aho, ary andeha re hiara-miverina amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao. 31 Ary Samoela dia niverina nanaraka an'i Saoly indray ary Saoly niankohoka teo anatrehan'i Jehovah. 32 Dia hoy Samoela: Entonareo eto amiko Agaga, mpanjakan'ny Amalekita. Ary Agaga nankeo aminy sady falifaly ka nanao hoe: Lasa tokoa ny fangidian'ny fahafatesana. 33 Fa hoy Samoela: Toy ny tsy nampananan'ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan'ny reninao zanaka kosa ao amin'ny vehivavy. Dia notetitetehin'i Samoela teo anatrehan'i Jehovah tao Gilgala Agaga. 34 Ary Samoela nankany Rama; fa Saoly kosa niakatra tany amin'ny tranony tao Gibean'i Saoly. 35 Ary Samoela tsy namangy an'i Saoly intsony ambara-pahafatiny; fa Samoela nalahelo an'i Saoly. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany an'i Saoly ho mpanjakan'ny Isiraely.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago