Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-173 @365
Herinandro faha-25 @52 |

1 Samoela 1

Ny nahaterahan'i Samoela, sy ny nanolorana azy ho an'i Jehovah
1 Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima any amin'ny tany havoan'i Efraima, Elkana no anarany zanak'i Jerohama, zanak'i Eliho, zanak'i Toho, zanak'i Zofa. 2 Ary namporafy izy, Hana no anaran'ny vadiny anankiray, ary Penina no anaran'ny anankiray; ary Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanana. 3 Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin'ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron'i Jehovah. 4 Ary tamin'ny andro namonoan'i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy Penina vadiny sy ny zananilahy ary ny zananivavy rehetra. 5 Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon'i Jehovah momba. 6 Ary ny rafiny dia nanorisory azy mba hampalahelo azy mafy noho ny nanaovan'i Jehovah azy momba. 7 Ary izany no fanaon'i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon'i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren'ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina. 8 Fa Elkana vadiny nanao taminy hoe: Ry Hana, nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina ianao? ary nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?
9 Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin'ny sezany teo anilan'ny tolam-baravaran'ny tempolin'i Jehovah. 10 Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin'i Jehovah izy sady nitomany dia nitomany. 11 Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon'ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an'i Jehovah kosa izy amin'ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.
12 Ary raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan'i Jehovah izy, dia nodinihin'i Ely ny vavany. 13 Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon'i Ely fa mamo izy. 14 Dia hoy Ely taminy: Mandrapahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao. 15 Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan'i Jehovah aho. 16 Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben'ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny. 17 Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen'Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy. 18 Ary hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony. 19 Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan'i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an'i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy. 20 Ary tamin'ny fahatanterahan'ny andro dia nanan'anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, fa hoy izy: Tamin'i Jehovah no nangatahako azy. 21 Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho an'i Jehovah sy ny fanalam-boadiny. 22 Fa Hana kosa tsy mba niakatra; fa hoy izy tamin'ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin'izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan'i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy. 23 Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain'i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy. 24 Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin'ny vantotr'ombilahy telo sy koba iray efaha ary divay iray tavoara, ka nentiny ho ao an-tranon'i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza. 25 Dia novonoiny ny vantotr'ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin'i Ely ny zaza. 26 Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin'i Jehovah. 27 Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen'i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy. 28 Koa atolotro ho an'i Jehovah kosa izy: eny, amin'ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an'i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago