Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-230 @365
Herinandro faha-33 @52 |

1 Mpanjaka 13

Ny nanirahan'Andriamanitra ilay mpaminany hananatra an'i Jeroboama noho ny nanaovany ireo sarin'ombilahy kely ireo, sy ny nanjo azy
1 Ary, indro, nisy lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin'i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan'ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama. 2 Ary ilay lehilahin'Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain'i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an'ny taranak'i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin'ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan'olona no hodorana eo amboninao. 3 Ary naneho fahagagana androtrizay izy nanao hoe: Izao no fahagagana izay nolazain'i Jehovah: Indro, hitresaka ny alitara, ka hikorotsaka ny lavenona izay eo amboniny. 4 Ary nony ren'i Jeroboama mpanjaka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin'ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony. 5 Dia nitresaka koa ny alitara, ka nikorotsaka ny lavenona teo amboniny, araka ny fahagagana Izay nasehon'ilay lehilahin'Andriamanitra noho ny tenin'i Jehovah. 6 Ary ny mpanjaka namaly ilay lehilahin'Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin'i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra dia nifona tamin'i Jehovah, ka dia azon'ny mpanjaka noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo. 7 Ary hoy ny mpanjaka tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra: Andeha hiaraka amiko ho any an-trano ianao mba hanao ody am-bavafo kely, sady homeko zavatra ianao. 8 Fa hoy ilay lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka: Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny ao an-tranonao, tsy hiditra any an-tranonao, na hihinan-kanina, na hisotro rano atỳ aho; 9 fa izao no tenin'i Jehovah nandrara ahy: Aza mihinan-kanina, na misotro rano, na miverina amin'izay lalana efa nalehanao. 10 Dia nandeha tamin'ny lalana hafa izy, fa tsy niverina tamin'ilay nalehany ho any Betela. 11 Fa nisy mpaminany antitra anankiray tao Betela; ary tonga ny zanany ka nilaza taminy izay rehetra nataon'ilay lehilahin'Andriamanitra androtr'iny tao Betela; ary nolazain'ireo tamin-drainy koa ny teny izay nolazain-dralehilahy tamin'ny mpanjaka. 12 Ary hoy rainy taminy: Aiza no lalana nalehany ? Fa ny zanany efa nahita ny lalana nalehan'ilay lehilahin'Andriamanitra izay tonga avy tany Joda. 13 Ary hoy izy tamin'ny zanany: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely ny boriky hitaingenany, ka dia nitaingenany. 14 Ary dia nanaraka ilay lehilahin'Andriamanitra izy ka nahita azy nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta; ka hoy izy taminy: Hianao moa ilay lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda ? Ary hoy izy: Eny, izaho no izy. 15 Dia hoy izy taminy: Andeha hiaraka amiko ho any an-tranoko mba hihinan-kanina. 16 Fa hoy kosa izy: Tsy mahazo miverina hiaraka aminao aho na hiditra any an-tranonao, ary tsy hihinan-kanina na hisotro rano aminao atỳ aho, 17 satria tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe: Aza mihinan-kanina, na misotro rano any, ary aza miverina amin'ny lalana efa nalehanao. 18 Fa hoy kosa izy taminy: Izaho koa mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany. 19 Dia niverina niaraka taminy izy ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.
20 Ary raha mbola nipetraka teo amin'ny latabatra izy roa lahy, dia tonga tamin'ilay mpaminany nitondra azy niverina ny tenin'i Jehovah; 21 ary izy niteny mafy tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao, 22 fa niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin'ny tany izay nandraran'i Jehovah anao hoe: Aza mihinan-kanina na misotro rano, dia tsy ho tonga any am-pasan-drazanao ny fatinao. 23 Ary rehefa avy nihinana sy nisotro izy, dia nasiany lasely ny boriky hitaingenan'ilay mpaminany naveriny. 24 Ary nony nandeha izy, dia nisy liona nifanena taminy teny andalana ka nahafaty azy; ary ny fatiny dia niampatra teo an-dalana, ary ny boriky nijanona teo anilany, ary ny liona koa nijanona teo anilan'ny faty. 25 Ary, indreo nisy olona nandalo ka nahita ny faty niampatra teo an-dalana sy ny liona nijanona teo anilan'ny faty, dia lasa nandeha ireo ka nilaza izany tany an-tanàna izay nitoeran'ilay mpaminany antitra. 26 Ary nony nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana, dia hoy izy: Ilay lehilahin'Andriamanitra nandà ny tenin'i Jehovah izay; fa natolotr'i Jehovah ny liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin'i Jehovah, izay efa nolazainy taminy. 27 Ary izy niteny tamin'ny zananilahy hoe: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely izy. 28 Ary nony nandeha izy, dia nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo an-dalana, ary ny boriky sy ny liona samy nijanona teo anilan'ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty na namiravira ny boriky. 29 Ary nobetain'ilay mpaminany ny fatin'ilay lehilahin'Andriamanitra ka nasampiny tamin'ny boriky, dia nentiny niverina; ary tonga tao an-tanàna ilay mpaminany antitra mba hisaona sy handevina azy. 30 Ary ny fatin-dralehilahy naleviny tao am-pasany, dia nitomanian'ny olona hoe: Indrisy, ry rahalahiko! 31 Ary rehefa voaleviny ralehilahy, dia hoy izy tamin'ny zanany: Rehefa maty aho, dia mba aleveno ao amin'ny fasana izay ilevenan'ilay lehilahin'Andriamanitra, ka ataovy eo anilan'ny taolany ny taolako; 32 fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoiny noho ny tenin'i Jehovah nilaza ny loza ho tonga amin'ny alitara ao Betela sy amin'ny trano rehetra eny amin'ny fitoerana avo izay any an-tanànan'i Samaria.
33 Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin'ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin'ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin'ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany, mba ho tonga mpisorona amin'ny fitoerana avo. 34 Ary dia tonga fahotan'ny taranak'i Jeroboama izany ka namongorana sy nandringanana azy tsy ho eo ambonin'ny tany.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago