Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-51 @365
Herinandro faha-8 @52 |

1 Korintiana 2

1 Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin'ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an'Andriamanitra. 2 Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana; 3 ary izaho, raha tany aminareo, dia azon'ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be; 4 ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin'ny teny fahendrena mahataona, fa tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy ny hery, 5 mba tsy niorenan'ny finoanareo amin'ny fahendren'ny olona, fa amin'ny herin'Andriamanitra ihany. 6 Anefa milaza fahendrena amin'ny efa matanjaka izahay, fa tsy ny fahendren'izao tontolo izao, na ny an'ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona; 7 fa milaza ny fahendren'Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin'Andriamanitra ho voninahitsika talohan'ny nanaovana izao tontolo izao; 8 ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin'ny hazo fijaliana ny Tompon'ny voninahitra. 9 Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy (Isa. 64. 3), 10 dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza. 11 Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon'olona, afa-tsy ny fanahin'ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany. 12 Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen'Andriamanitra antsika. 13 Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona araka ny Fanahy izahay. 14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. 15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona. 16 Fa iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy? (Isa. 40. 13). Fa izahay manana ny sain'i Kristy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago