Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-245 @365
Herinandro faha-35 @52 |

1 Korintiana 16

Ny amin'ny famoriam-bola ho an'ny olona malahelo tany Jerosalema. Teny farany sy fanaovam-beloma
1 Ary ny amin'ny famoriam-bola ho an'ny olona masina, dia mba manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon'ny fiangonana any Galatia. 2 Amin'ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin'inona na amin'inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako. 3 Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema. 4 Ary raha tokony handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo. 5 Hankatỳ aminareo aho, rehefa namaky an'i Makedonia - fa hamaky an'i Makedonia aho - 6 ary angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy amin'izay halehako. 7 Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo aminareo aho, raha sitrapon'ny Tompo. 8 Nefa hitoetra any Efesosy aho mandra-pihavin'ny Pentekosta; 9 fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra. 10 Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan'ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa. 11 Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga atỳ amiko; fa miandry azy mbamin'ny rahalahy sasany aho. 12 Ary ny amin'i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin'ny rahalahy hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin'izany; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy. 13 Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. 14 Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana. 15 Fantatrareo ny ankohonan'i Stefanasy, fa voaloham-bokatr'i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin'ny fanompoana ny olona masina; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy, 16 mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo. 17 Faly aho noho ny fihavian'i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo; 18 fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny.
19 Manao veloma anareo ny fiangonana atỳ Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin'ny tompo Akoila sy Prisila mbamin'ny fiangonana izay ao an-tranony. 20 Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. 21 Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma. 22 Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona izy. Maran ata. 23 Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo; 24 ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Amena.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago