Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-242 @365
Herinandro faha-35 @52 |

1 Korintiana 12

Ny amin'ny fanomezam-pahasoavana samy hafa
1 Ary ny amin'ny zava-panahy, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo. 2 Fantatrareo fa fony jentilisa ianareo, dia nentina tany amin'ny sampy moana araka izay nitaomana anareo. 3 Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina.
4 Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. 5 Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. 6 Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra. 7 Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa. 8 Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany, 9 ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany, 10 ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. 11 Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony. 12 Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. 13 Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. 14 Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro. 15 Raha ny tongotra hanao hoe: Satria tsy tanana aho, dia tsy mba momba ny tena, amin'izany dia tsy momba ny tena va izy? 16 Ary raha ny sofina hanao hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena,- koa amin'izany dia tsy momba ny tena va izy? 17 Raha maso avokoa ny tena rehetra, aiza ary izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza ary izay fanimboloana? 18 Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin'ny tena araka ny sitrapony. 19 Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena? 20 Fa maro ny momba ny tena, nefa ny tena dia iray ihany. 21 Ary ny maso tsy mahazo manao amin'ny tanana hoe: Tsy mila anao aho; ary indray, ny loha tsy mahazo manao amin'ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho. 22 Fa mainka ilaintsika aza ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany. 23 Ary ny momba ny tena izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa dia tafiantsika voninahitra bebe kokoa; ary izay tsy misy haja amin'ny momba ny tenantsika no hajaintsika kokoa; 24 fa tsy mila izany ny efa misy haja rahateo amin'ny momba ny tenantsika. Fa tamin'ny nanamboaran'Andriamanitra ny tena, dia izay kely voninahitra no nomeny voninahitra bebe kokoa, 25 mba tsy hisy fisarahana eo amin'ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra. 26 Ary raha mijaly ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena. 27 Ary ianareo no tenan'i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy. 28 Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra. 29 Apostoly va izy rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Mpampianatra va izy rehetra? Manao fahagagana va izy rehetra? 30 Manana fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana va izy rehetra? Miteny amin'ny fiteny tsy fantatra va izy rehetra? Mandika teny va izy rehetra? 31 Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay lalana tsara indrindra no atoroko anareo:

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago