| Andro faha-13 @365
|
Salamo 29
Fiderana an'Andriamanitra noho ny heriny sy ny fiandrianany izay miseho amin'ny kotrokorana
1 Salamo nataon'i Davida. Manomeza an'i Jehovah, ry zanak'Andriamanitra, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah. 2 Omeo an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina.
3 Ny feon'i Jehovah no eny ambonin'ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin'ny rano be. 4 Ny feon'i Jehovah be hery; Ny feon'i Jehovah be voninahitra. 5 Ny feon'i Jehovah manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona. 6 Dia mampitsambikina azy tahaka ny zanak'omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny ombimanga. 7 Ny feon'i Jehovah mampisaraka ny lelafo; 8 Ny feon'i Jehovah mampihorohoro ny efitra; Jehovah mampihorohoro ny efitr'i Kadesy. 9 Ny feon'i Jehovah mampiteraka ny dieravavy, ary mivofy ny ala be; ary ny ao an-tempoliny samy manao hoe: Voninahitra e!
10 Jehovah nipetraka teo ambonin'ny safo-drano; eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay. 11 Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin'ny fiadanana.