| Andro faha-73 @365
|
Salamo 127
Ny fahatsinontsinon'ny ataon'ny olona, raha tsy ambinin'Andriamanitra
1 Fihirana fiakarana. Nataon'i Solomona. Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina. 2 Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin'ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an'ny malalany, na dia matory aza izy.
3 Indro, lova avy amin'i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo. 4 Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan'ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana. 5 Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin'ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin'ny fahavalo eo am-bavahady.