| Andro faha-72 @365
|
Salamo 122
Fifaliana ny amin'i Jerosalema sy fangatahan-tsoa ho azy
1 Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. FALY aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon'i Jehovah. 2 Ny tongotray efa mijoro Eo anatin'ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,
3 Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara; 4 Any no iakaran'ny firenena,Dia ireo firenen'i Jehovah (Lalàna amin'ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran'i Jehovah. 5 Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan'ny mpianakavin'i Davida.
6 Mangataha fiadanana ho an'i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao; 7 Fiadanana anie ho ao anatin'ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao 8 Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao. 9 Noho ny tranon'i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.