| Andro faha-68 @365
|
Salamo 119 1-40
ALEFA
1 Sambatra ny mahitsy lalana,Izay mandeha araka ny lalàn'i Jehovah. 2 Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin'ny fo rehetra; 3 Eny, Izay tsy manao ratsy. Fa mandeha araka ny lalany. 4 Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara. 5 Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao! 6 Dia tsy ho menatra aho, Raha mandinika ny didinao rehetra. 7 Hidera Anao amin'ny hitsim-po aho Amin'ny ianarako ny fitsipikao marina. 8 Ny didinao no hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao.
BETA
9 Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao. 10 Tamin'ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho. 11 Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao. 12 Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao. 13 Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao. 14 Ny lalan'ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra. 15 Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao. 16 Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao.
GIMELA
17 Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao. 18 Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin'ny lalànao. 19 Vahiny etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao. 20 Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva. 21 Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin'ny didinao. 22 Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho. 23 Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao. 24 Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.
DALETA
25 Miraikitra amin'ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao. 26 Ny lalako no nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao. 27 Ampahalalao ahy ny lalan'ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao. 28 Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao. 29 Ny lalan'ny lainga no esory amiko: Ary ny lalànao no anasoavy ahy. 30 Ny lalàn'ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao. 31 Mifikitra amin'ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho; 32 Ny lalan'ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko.
HE
33 Jehovah ô, toroy ny lalan'ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin'ny farany izany. 34 Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin'ny foko rehetra aho. 35 Ampandehano amin'ny lalan'ny didinao aho; Fa izany no sitrako. 36 Amporisiho ny foko ho amin'ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin'ny fieremana. 37 Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin'ny lalanao aho. 38 Tovy ny teninao amin'ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra. 39 Esory ny fahafaham-baraka. izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao. 40 Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin'ny fahamarinanao.